Nehemiah 3
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin’ ny tilikambo Hamea ka hatramin’ ny tilikambo Hananela no nohamasininy.Select Nehemiah 3:1
2Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak’ Imry.Select Nehemiah 3:2
3Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak’ i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.Select Nehemiah 3:3
4Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota, zanak’ i Oria, zanak’ i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, zanak’ i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak’ i Bana.Select Nehemiah 3:4
5Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoïta; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin’ ny fanompoana ny Tompony.Select Nehemiah 3:5
6Ary ny vavahady taloha dia namboarin’ i Joiada, zanak’ i Pasea, sy Mesolama, zanak’ i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.Select Nehemiah 3:6
7Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin’ ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ ny seza fiandrianan’ ny governora etỳ an-dafin’ ny ony etỳ.Select Nehemiah 3:7
8Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak’ i Haraia, isan’ ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an’ i Jerosalema izy hatramin’ ny mandà lehibe.Select Nehemiah 3:8
9Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia, zanak’ i Hora, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Jerosalema.Select Nehemiah 3:9
10Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak’ i Haromafa, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak’ i Hasabnia.Select Nehemiah 3:10
11Ny sasany koa mbamin’ ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin’ i Malkia, zanak’ i Harima, sy Hasoba, zanak’ i Pahatamoaba.Select Nehemiah 3:11
12Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak’ i Halohesy, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.Select Nehemiah 3:12
13Ny vavahady mankamin’ ny lohasaha dia namboarin’ i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin’ ny manda hatramin’ ny vavahadin-jezika.Select Nehemiah 3:13
14Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin’ i Malkia, zanak’ i Rekaba, komandin’ ny fehin’ i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.Select Nehemiah 3:14
15Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin’ i Saloma, zanak’ i Kola-hoze, komandin’ ny fehin’ i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan’ ny farihy Siloa, teo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka, ka hatramin’ ny ambaratonga midìna avy any an-Tanànan’ i Davida.Select Nehemiah 3:15
16Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak’ i Azboka, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Beti-zora, hatramin’ ny teo amin’ ny tandrifin’ ireo fasan’ i Davida ka hatramin’ ny farihy izay natao ary hatramin’ ny tranon’ ny lehilahy mahery.Select Nehemiah 3:16
17Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak’ i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Keila, ho an’ ny fehiny.Select Nehemiah 3:17
18Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak’ i Henadada, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Keila.Select Nehemiah 3:18
19Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin’ i Ezera, zanak’ i Jesoa, komandin’ i Mizpa, teo amin’ ny tandrifin’ ny fiakarana ho any amin’ ny trano fitehirizam-piadiana eo amin’ ny fiolahana.Select Nehemiah 3:19
20Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak’ i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin’ ny fiolahana ka hatramin’ ny varavaran’ ny tranon’ i Eliasiba mpisoronabe.Select Nehemiah 3:20
21Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’ i Meremota, zanak’ i Oria, zanak’ i Hakoza, hatramin’ ny varavaran’ ny tranon’ i Eliasiba ka hatramin’ ny faran’ ny tranon’ i Eliasiba.Select Nehemiah 3:21
22Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin’ ny tany lemaka.Select Nehemiah 3:22
23Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak’ i Mahaseia, zanak’ i Anania, teo anilan’ ny tranony ihany.Select Nehemiah 3:23
24Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin’ i Binoy, zanak’ i Henadada, hatramin’ ny tranon’ i Azaria ka hatramin’ ny fiolahana eo amin’ ny zorony.Select Nehemiah 3:24
25Ary Palala, zanak’ i Ozay, koa, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny fiolahana sy izay mandroso eo amin’ ny tilikambo ambony, eo amin’ ny ranon’ ny mpanjaka, eo akaikin’ ny tokotanin’ ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak’ i Parosy.Select Nehemiah 3:25
26Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin’ ny tandrifin’ ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin’ ny tilikambo.Select Nehemiah 3:26
27Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin’ ny Tekoïta, teo amin’ ny tandrifin’ ny mandroso eo amin’ ny tilikambo lehibe ka hatramin’ ny mandan’ i Ofela.Select Nehemiah 3:27
28Hatreo ambonin’ ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin’ ny mpisorona, dia samy ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony avy.Select Nehemiah 3:28
29Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak’ Imera, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak’ i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.Select Nehemiah 3:29
30Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’ i Hanania, zanak’ i Setemia, sy Hanona, fahenin’ ny zanak’ i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny efi-tranony ihany.Select Nehemiah 3:30
31Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan’ ny mpanefy volamena, hatramin’ ny tranon’ ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny vavahady Mifikada ka hatramin’ ny trano ambony teo an-jorony.Select Nehemiah 3:31
32Ary ny teo anelanelan’ ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin’ ondry no namboarin’ ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.Select Nehemiah 3:32
33Ary rehefa ren’ i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy,Select Nehemiah 3:33
34dia niteny teo anatrehan’ ny namany sy ny miaramilan’ i Samaria hoe: Inona no ataon’ ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato avy amin’ ny lavenona miavosa va ireo?Select Nehemiah 3:34
35Ary Tobia Amonita dia teo anilan’ i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboahaolo aza miakatra eo amin’ izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony.Select Nehemiah 3:35
36Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin’ ny tany izay ahababoany izy.Select Nehemiah 3:36
37Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan’ ireo mandrafitra izy.Select Nehemiah 3:37
38Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin’ ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.Select Nehemiah 3:38
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain