Skip to content
Church.wiki
Numbers

Numbers 10

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 10:1

2Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.Select Numbers 10:2

3Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra.Select Numbers 10:3

4Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan’ ny firenena, izay mpifehy arivo amin’ ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao.Select Numbers 10:4

5Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.Select Numbers 10:5

6Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.Select Numbers 10:6

7Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana.Select Numbers 10:7

8Ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany.Select Numbers 10:8

9Ary raha misy ady eo amin’ ny taninareo, ka mandeha hiady amin’ ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin’ ny fahavalonareo.Select Numbers 10:9

10Ary amin’ ny andro fifalianareo, sy amin’ ny fotoam-pivavahanareo, ary amin’ ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan’ Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.Select Numbers 10:10

11Ary tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa, no niakaran’ ny rahona niala teo ambonin’ ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.Select Numbers 10:11

12Dia niainga tany an-efitr’ i Sinay ny Zanak’ Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.Select Numbers 10:12

13Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.Select Numbers 10:13

14Ary ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak’ i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.Select Numbers 10:14

15Ary Netanela, zanak’ i Zoara, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ Isakara.Select Numbers 10:15

16Ary Eliaba, zanak’ i Helona, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Zebolona.Select Numbers 10:16

17Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak’ i Gersona sy ny taranak’ i Merary, nitondra ny tabernakely.Select Numbers 10:17

18Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak’ i Sedeora, no mpifehy ny antokony.Select Numbers 10:18

19Ary Selomiela, zanak’ i Zorisaday, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Simeona.Select Numbers 10:19

20Ary Eliasafa, zanak’ i Doela, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Gada.Select Numbers 10:20

21Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masìna; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.Select Numbers 10:21

22Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak’ i Amihoda, no mpifehy ny antokony.Select Numbers 10:22

23Ary Gamaliela, zanak’ i Pedazora, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Manase.Select Numbers 10:23

24Ary Abidana, zanak’ i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak’ i Benjamina.Select Numbers 10:24

25Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Dana, izay vodi-lalan’ ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak’ i Amisaday, no mpifehy ny antokony.Select Numbers 10:25

26Ary Pagiela, zanak’ i Okrana, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Asera.Select Numbers 10:26

27Ary Ahira, zanak’ i Enana, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Naftaly.Select Numbers 10:27

28Izany no fandehan’ ny Zanak’ Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy.Select Numbers 10:28

29Dia hoy Mosesy tamin’ i Hobaba, zanak’ i Regoela Midianita, rafozan’ i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin’ ny tany izay nolazain’ i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin’ ny Isiraely.Select Numbers 10:29

30Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin’ ny taniko sy ny havako.Select Numbers 10:30

31Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka dia ho masonay ianao.Select Numbers 10:31

32Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon’ i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.Select Numbers 10:32

33Dia niainga niala tany an-tendrombohitr’ i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an’ ny olona.Select Numbers 10:33

34Ary ny rahon’ i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin’ ny niaingany niala tamin’ ny nitobiany.Select Numbers 10:34

35Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.Select Numbers 10:35

36Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin’ ny Isiraely tsy omby alinalina.Select Numbers 10:36

Next: Numbers 11Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Numbers

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.