Numbers 17
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 17:1
2Mitenena amin’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin’ ny may ny fitondran’ afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masìna ireny;Select Numbers 17:2
3ary ny fitondran’ afon’ ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin’ ny alitara; fa nateriny teo anatrehan’ i Jehovah ireny ka masìna; ary ho famantarana ho an’ ny Zanak’ Isiraely ireny.Select Numbers 17:3
4Ary nalain’ i Eleazara mpisorona ny fitondran’ afo varahina, izay efa nanateran’ ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ ny alitaraSelect Numbers 17:4
5ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak’ i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah; fandrao ho tahaka an’ i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.Select Numbers 17:5
6Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin’ i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon’ i Jehovah.Select Numbers 17:6
7Ary raha niangona hanome tsiny an’ i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr’ i Jehovah.Select Numbers 17:7
8Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan’ ny trano-lay fihaonana.Select Numbers 17:8
9Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 17:9
10Mialà amin’ io fiangonana io handringanako azy amin’ ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.Select Numbers 17:10
11Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Alao ny fitondran’ afo, ka asio afo avy eo ambonin’ ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin’ ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin’ i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.Select Numbers 17:11
12Dia nalain’ i Arona izany, araka izay nandidian’ i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan’ ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin’ ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ ny olona.Select Numbers 17:12
13Dia nijanona teo anelanelan’ ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.Select Numbers 17:13
14Ary izay efa matin’ ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin’ i Kora.Select Numbers 17:14
15Ary Arona niverina ho eo amin’ i Mosesy teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra.Select Numbers 17:15
16Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 17:16
17Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan’ ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin’ ny folo; ary samy soraty eo amin’ ny tehiny avy ny anaran’ izy rehetra.Select Numbers 17:17
18Fa ny anaran’ i Arona no hosoratanao amin’ ny tehin’ i Levy; fa tehina iray avy no ho an’ ny lohan’ ny fianakaviany.Select Numbers 17:18
19Dia hataonao ao amin’ ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan’ ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo.Select Numbers 17:19
20Ary ny tehin’ ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan’ ny Zanak’ Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo.Select Numbers 17:20
21Ary Mosesy dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ka ny lohan’ ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin’ ny folo; ary ny tehin’ i Arona dia teo afovoan’ ireo tehiny ireo.Select Numbers 17:21
22Dia napetrak’ i Mosesy teo anatrehan’ i Jehovah, dia tao amin’ ny trano lain’ ny Vavolombelona ireo tehina ireo.Select Numbers 17:22
23Ary nony ampitso dia niditra tao amin’ ny trano-lain’ ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin’ i Arona, izay ho an’ ny taranak’ i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala.Select Numbers 17:23
24Dia nentin’ i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan’ i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy.Select Numbers 17:24
25Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Avereno ny tehin’ i Arona ho eo anoloan’ ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an’ ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy.Select Numbers 17:25
26Dia nataon’ i Mosesy izany; araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy no nataony.Select Numbers 17:26
27Dia niteny tamin’ i Mosesy ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra.Select Numbers 17:27
28Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin’ i Jehovah; ho lany maty va izahay?Select Numbers 17:28
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain