Skip to content
Church.wiki
Numbers

Numbers 2

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:Select Numbers 2:1

2Samy eo amin’ ny fanevany sy eo amin’ ny faneva kelin’ ny fianakaviany avy no hitobian’ ny Zanak’ Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.Select Numbers 2:2

3Ary ny hitoby eo amin’ ny lafiny atsinanana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia izay momba ny fanevan’ ny tobin’ i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba;Select Numbers 2:3

4ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.Select Numbers 2:4

5Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ Isakara; ary ny lohan’ ny taranak’ Isakara dia Netanela, zanak’ i Zoara;Select Numbers 2:5

6ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.Select Numbers 2:6

7Dia vao ny firenen’ i Zebolona; ary ny lohan’ ny taranak’ i Zebolona dia Eliaba, zanak’ i Helona;Select Numbers 2:7

8ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.Select Numbers 2:8

9Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.Select Numbers 2:9

10Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Robena no ho eo amin’ ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Robena dia Elizora, zanak’ Sedeora;Select Numbers 2:10

11ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.Select Numbers 2:11

12Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ i Simeona; ary ny lohan’ ny taranak’ i Simeona dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday;Select Numbers 2:12

13ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.Select Numbers 2:13

14Dia vao ny firenen’ i Gada; ary ny lohan’ ny taranak’ i Gada dia Eliasafa, zanak’ i Roela;Select Numbers 2:14

15ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.Select Numbers 2:15

16Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.Select Numbers 2:16

17Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin’ ny Levita, eo afovoan’ ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ ny filaharany avy, araka ny fanevany.Select Numbers 2:17

18Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ ny lafiny andrefana; ary ny lohan’ ny taranak’ i Efraima dia Elisama, zanak’ i Amihoda;Select Numbers 2:18

19ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.Select Numbers 2:19

20Ary ny firenen’ i Manase ho eo anilany; ary ny lohan’ ny taranak’ i Manase dia Gamaliela, zanak’ i Pedazora;Select Numbers 2:20

21ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.Select Numbers 2:21

22Dia vao ny firenen’ i Benjamina; ary ny lohan’ ny taranak’ i Benjamina dia Abidana, zanak’ i Gideony;Select Numbers 2:22

23ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.Select Numbers 2:23

24Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.Select Numbers 2:24

25Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ ny lafiny avaratra; ary ny lohan’ ny taranak’ i Dana dia Ahiezera, zanak’ i Amisaday;Select Numbers 2:25

26ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.Select Numbers 2:26

27Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen’ i Asera; ary ny lohan’ ny taranak’ i Asera dia Pagiela, zanak’ i Okrana;Select Numbers 2:27

28ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.Select Numbers 2:28

29Dia vao ny firenen’ i Naftaly; ary ny lohan’ ny taranak’ i Naftaly dia Ahira, zanak’ i Enana;Select Numbers 2:29

30ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.Select Numbers 2:30

31Ny tontalin’ izay nalamina teo amin’ ny tobin’ i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.Select Numbers 2:31

32Ireo no nalamina avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin’ izay nalamina tamin’ ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.Select Numbers 2:32

33Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Numbers 2:33

34Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.Select Numbers 2:34

Next: Numbers 3Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Numbers

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.