Skip to content
Church.wiki
Numbers

Numbers 20

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary tamin’ ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak’ Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.Select Numbers 20:1

2Ary tsy nisy rano ho an’ ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin’ i Mosesy sy Arona.Select Numbers 20:2

3Dia nila ady tamin’ i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin’ ny nahafatesan’ ny rahalahinay teo anatrehan’ i Jehovah!Select Numbers 20:3

4Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’ i Jehovah ho amin’ ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?Select Numbers 20:4

5Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin’ ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?Select Numbers 20:5

6Dia niala teo anatrehan’ ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr’ i Jehovah.Select Numbers 20:6

7Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 20:7

8Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an’ ny olona avy amin’ ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.Select Numbers 20:8

9Dia nalain’ i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan’ i Jehovah, araka izay nandidiany azy.Select Numbers 20:9

10Dia novorin’ i Mosesy sy Arona teo anoloan’ ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?Select Numbers 20:10

11Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.Select Numbers 20:11

12Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason’ ny Zanak’ Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin’ ny tany izay nomeko azy ianareo.Select Numbers 20:12

13Ity no ranon’ i Meriba, izay nilan’ ny Zanak’ Isiraely ady tamin’ i Jehovah, ka nisehoan’ i Jehovah ho masìna tamin’ ny nataony taminy.Select Numbers 20:13

14Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ ny mpanjakan’ i Edoma hanao hoe: Izao no lazain’ i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:Select Numbers 20:14

15dia ny nidinan’ ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;Select Numbers 20:15

16ary raha nitaraina tamin’ i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin’ ny faritry ny taninao, izahay;Select Numbers 20:16

17koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin’ ny lavaka fantsakana akory: ny lalan’ andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin’ ny ankavanana na ho amin’ ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.Select Numbers 20:17

18Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin’ ny sabatra aho.Select Numbers 20:18

19Dia hoy ny Zanak’ Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman’ ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.Select Numbers 20:19

20Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery.Select Numbers 20:20

21Toy izany no nandavan’ ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak’ Isiraely.Select Numbers 20:21

22Ary nifindra ny Zanak’ Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.Select Numbers 20:22

23Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin’ ny fari-tanin’ i Edoma, ka nanao hoe:Select Numbers 20:23

24Arona hangonina any amin’ ny razany; fa tsy hiditra any amin’ ny tany izay nomeko ny Zanak’ Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin’ ny ranon’ i Meriba ianareo.Select Numbers 20:24

25Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;Select Numbers 20:25

26dia esory ny fitafian’ i Arona, ka atafio an’ i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin’ ny razany ka ho faty ao.Select Numbers 20:26

27Ary Mosesy nanao araka izay nandidian’ i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason’ ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.Select Numbers 20:27

28Dia nesorin’ i Mosesy ny fitafian’ i Arona ka natafiny an’ i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon’ ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.Select Numbers 20:28

29Koa nony hitan’ ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak’ Isiraely rehetra.Select Numbers 20:29

Next: Numbers 21Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Numbers

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.