Numbers 31
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 31:1
2Valio ny Midianita noho ny nataony tamin’ ny Zanak’ Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin’ ny razanao ianao.Select Numbers 31:2
3Dia niteny tamin’ ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian’ i Jehovah azy.Select Numbers 31:3
4Arivo lahy avy isam-pirenena amin’ ny firenen’ Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.Select Numbers 31:4
5Dia navahana tamin’ ny firenen’ Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.Select Numbers 31:5
6Ary nampandehanin’ i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masìna teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo.Select Numbers 31:6
7Dia niady tamin’ ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izySelect Numbers 31:7
8ary ny mpanjakan’ i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin’ ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak’ i Beora, koa dia novonoiny tamin’ ny sabatra.Select Numbers 31:8
9Ary ny Zanak’ Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman’ ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.Select Numbers 31:9
10Ary ny tanànany rehetra izay teo amin’ ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin’ ny afo.Select Numbers 31:10
11Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,Select Numbers 31:11
12dia nentiny tany amin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.Select Numbers 31:12
13Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan’ ny toby.Select Numbers 31:13
14Ary tezitra tamin’ ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,Select Numbers 31:14
15ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?Select Numbers 31:15
16Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah ny amin’ i Peora, araka ny tenin’ i Balama, ka nahazo ny fiangonan’ i Jehovah ny areti-mandringana.Select Numbers 31:16
17Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.Select Numbers 31:17
18Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.Select Numbers 31:18
19Ary mitobia eo ivelan’ ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin’ ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.Select Numbers 31:19
20Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon’ osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa.Select Numbers 31:20
21Ary hoy Eleazara mpisorona tamin’ ny mpanafika, izay efa tany amin’ ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian’ i Jehovah’ an i Mosesy:Select Numbers 31:21
22Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,Select Numbers 31:22
23dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin’ ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin’ ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin’ ny rano ihany.Select Numbers 31:23
24Ary sasao ny fitafianareo amin’ ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin’ ny toby ianareo.Select Numbers 31:24
25Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 31:25
26Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fiangonana ny isan’ ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy;Select Numbers 31:26
27ary sasaho ny babo ho an’ izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an’ ny fiangonana rehetra;Select Numbers 31:27
28kanefa makà anjara ho an’ i Jehovah avy amin’ ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’ osy;Select Numbers 31:28
29ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an’ i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an’ i Jehovah.Select Numbers 31:29
30Ary ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’ osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an’ ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin’ i Jehovah.Select Numbers 31:30
31Dia nataon’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Numbers 31:31
32Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon’ ny mpanafika, dia ondry aman’ osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,Select Numbers 31:32
33sy omby roa arivo amby fito alina,Select Numbers 31:33
34sy boriky arivo amby enina alina,Select Numbers 31:34
35ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.Select Numbers 31:35
36Ary ny antsasany izay anjaran’ ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan’ ny ondry aman’ osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;Select Numbers 31:36
37ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ny ondry aman’ osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.Select Numbers 31:37
38Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia roa amby fito-polo.Select Numbers 31:38
39Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia iraika amby enim-polo.Select Numbers 31:39
40Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia roa amby telo-polo.Select Numbers 31:40
41Dia nomen’ i Mosesy an’ i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an’ i Jehovah, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Numbers 31:41
42Ary avy tamin’ ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely, izay nozarain’ i Mosesy avy tamin’ ny mpanafikaSelect Numbers 31:42
43(fa ny antsasany an’ ny fiangonana dia ondry aman’ osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy,Select Numbers 31:43
44sy omby enina arivo amby telo alina,Select Numbers 31:44
45sy boriky diman-jato amby telo alina,Select Numbers 31:45
46ary olona enina arivo amby iray alina),Select Numbers 31:46
47ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely dia nanalan’ i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an’ ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin’ i Jehovah izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Numbers 31:47
48Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an’ i MosesySelect Numbers 31:48
49ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan’ ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza;Select Numbers 31:49
50koa nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an’ ny ainay eo anatrehan’ i Jehovah.Select Numbers 31:50
51Dia noraisin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa.Select Numbers 31:51
52Ary ny volamena rehetra tamin’ ny fanatitra nalain’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an’ i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alinaSelect Numbers 31:52
53(fa ny mpanafika samy namabo ho an’ ny tenany).Select Numbers 31:53
54Dia noraisin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin’ ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely eo anatrehan’ i Jehovah.Select Numbers 31:54
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain