Numbers 9
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanao hoe:Select Numbers 9:1
2Aoka hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Paska amin’ ny fotoany.Select Numbers 9:2
3Amin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ity volana ity no hitandremanareo azy amin’ ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.Select Numbers 9:3
4Ary Mosesy niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitandrina ny Paska.Select Numbers 9:4
5Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr’ i Sinay izy tamin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely.Select Numbers 9:5
6Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’ izany andro izany; dia nankeo anatrehan’ i Mosesy sy Arona izy tamin’ izany andro izanySelect Numbers 9:6
7ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ ny Zanak’ Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an’ i Jehovah amin’ ny fotoany?Select Numbers 9:7
8Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian’ i Jehovah ny aminareo.Select Numbers 9:8
9Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Numbers 9:9
10Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah ihany koa izy.Select Numbers 9:10
11Amin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin’ ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.Select Numbers 9:11
12Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin’ ny Paska ihany koa no hitandremany azy.Select Numbers 9:12
13Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.Select Numbers 9:13
14Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin’ ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.Select Numbers 9:14
15Ary tamin’ ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain’ ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin’ ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain’ ny andro.Select Numbers 9:15
16Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.Select Numbers 9:16
17Ary rehefa niakatra niala tamin’ ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak’ Isiraely, ka teo amin’ izay nijanonan’ ny rahona no nitobiany.Select Numbers 9:17
18Araka ny didin’ i Jehovah no niaingan’ ny Zanak’ Isiraely, ary araka ny didin’ i Jehovah koa no nitobiany; tamin’ ny andro rehetra izay nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely no nitobiany.Select Numbers 9:18
19Ary na dia nijanona ela teo ambonin’ ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain’ i Jehovah notandremana ihany ny Zanak’ Isiraely ka tsy niainga.Select Numbers 9:19
20Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely; araka ny didin’ i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin’ i Jehovah no niaingany.Select Numbers 9:20
21Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak’ Isiraely; koa na andro na alina no niakaran’ ny rahona, dia niainga izy.Select Numbers 9:21
22Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak’ Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.Select Numbers 9:22
23Araka ny didin’ i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin’ i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain’ i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.Select Numbers 9:23
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain