Philemon 1
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an’ i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,Select Philemon 1:1
2ary mamangy an’ i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:Select Philemon 1:2
3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.Select Philemon 1:3
4Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin’ ny fivavahako,Select Philemon 1:4
5satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an’ i Jesosy Tompo sy ho an’ ny olona masìna rehetra,Select Philemon 1:5
6mba hiasa mafy ho an’ i Kristy ny fiombonana avy amin’ ny finoanao amin’ ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.Select Philemon 1:6
7Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon’ ny olona masìna, ry rahalahy.Select Philemon 1:7
8Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’ i Kristy handidy anao amin’ izay mendrika aza aho,Select Philemon 1:8
9nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an’ i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao.Select Philemon 1:9
10Eny, miangavy aminao aho ny amin’ ny zanako, izay naterako teto amin’ ny fifatorako, dia Onesimosy,Select Philemon 1:10
11ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;Select Philemon 1:11
12izay nampodiko indray, dia ilay sombin’ ny aiko;Select Philemon 1:12
13saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin’ ny fifatorako noho ny filazantsara;Select Philemon 1:13
14nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin’ ny fanerena ny soa ataonao, fa amin’ ny sitrapo.Select Philemon 1:14
15Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,Select Philemon 1:15
16tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin’ ny nofo, na amin’ ny Tompo.Select Philemon 1:16
17Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.Select Philemon 1:17
18Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;Select Philemon 1:18
19izaho Paoly no manoratra izany amin’ ny tanako, izaho no handoa izany ― nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.Select Philemon 1:19
20Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin’ ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin’ i Kristy.Select Philemon 1:20
21Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.Select Philemon 1:21
22Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.Select Philemon 1:22
23Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin’ i Kristy Jesosy,Select Philemon 1:23
24sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.Select Philemon 1:24
25Ho amin’ ny fanahinareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.Select Philemon 1:25
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation