Philippians 1
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Paoly sy Timoty, mpanompon’ i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masìna rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy mbamin’ ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy;Select Philippians 1:1
2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.Select Philippians 1:2
3Misaotra an’ Andriamanitro amin’ ny fahatsiarovako anareoSelect Philippians 1:3
4mandrakariva aho amin’ ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin’ ny fifaliana,Select Philippians 1:4
5noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;Select Philippians 1:5
6ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ ny andron’ i Jesosy Kristy;Select Philippians 1:6
7fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin’ ny fifatorako, na amin’ ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.Select Philippians 1:7
8Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin’ ny famindram-pon’ i Kristy Jesosy.Select Philippians 1:8
9Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,Select Philippians 1:9
10mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ ny andron’ i Kristy ianareo,Select Philippians 1:10
11sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’ Andriamanitra.Select Philippians 1:11
12Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;Select Philippians 1:12
13ka ao amin’ i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin’ ny olona hafa rehetra;Select Philippians 1:13
14ary ny ankabiazan’ ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’ Andriamanitra tsy amin’ ny tahotra.Select Philippians 1:14
15Fialonana sy fifandirana aza no itorian’ ny sasany an’ i Kristy, ary fifaliana kosa ny an’ ny sasany;Select Philippians 1:15
16fitiavana ny an’ ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;Select Philippians 1:16
17fifampiandaniana kosa no itorian’ ny sasany an’ i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.Select Philippians 1:17
18Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin’ ny atao rehetra, na amin’ ny fihatsaram-belatsihy, na amin’ ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin’ izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.Select Philippians 1:18
19Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana ny Fanahin’ i Jesosy Kristy,Select Philippians 1:19
20araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin’ ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an’ i Kristy ao amin’ ny tenako, na amin’ ny fiainana, na amin’ ny fahafatesana.Select Philippians 1:20
21Fa Kristy no anton’ ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.Select Philippians 1:21
22Kanefa raha ny ho velona amin’ ny nofo no hahavokaran’ ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;Select Philippians 1:22
23fa sanganehana eo anelanelan’ izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin’ i Kristy, satria tsara lavitra izany;Select Philippians 1:23
24kanefa kosa ny hitoetra eo amin’ ny nofo no mahasoa anareo kokoa.Select Philippians 1:24
25Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ ny finoanareo,Select Philippians 1:25
26mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin’ i Kristy Jesosy amin’ ny hankanesako atỳ aminareo indray.Select Philippians 1:26
27Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran’ i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,Select Philippians 1:27
28ka tsy ho azon’ ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ inona na amin’ inona; fa amin’ ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’ Andriamanitra.Select Philippians 1:28
29Fa ianareo efa nomena noho ny an’ i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,Select Philippians 1:29
30dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.Select Philippians 1:30
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation