Skip to content
Church.wiki
Philippians

Philippians 2

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Koa raha misy famporisihana ao amin’ i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana,Select Philippians 2:1

2dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,Select Philippians 2:2

3tsy manao na inona na inona amin’ ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin’ ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.Select Philippians 2:3

4Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ ny namany koa.Select Philippians 2:4

5Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’ i Kristy Jesosy koa,Select Philippians 2:5

6Izay, na dia nanana ny endrik’ Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’ Andriamanitra,Select Philippians 2:6

7fa nofoanany ny tenany tamin’ ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ ny olona;Select Philippians 2:7

8ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ ny hazo fijaliana.Select Philippians 2:8

9Koa izany no nanandratan’ Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,Select Philippians 2:9

10mba ho amin’ ny anaran’ i Jesosy no handohalehan’ ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ ny tany,Select Philippians 2:10

11sy haneken’ ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’ Andriamanitra Ray.Select Philippians 2:11

12Koa amin’ izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.Select Philippians 2:12

13Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.Select Philippians 2:13

14Ataovy ny zavatra rehetra amin’ ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,Select Philippians 2:14

15mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak’ Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’ izao tontolo izao,Select Philippians 2:15

16mitana ny tenin’ ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin’ ny andron’ i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.Select Philippians 2:16

17Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ ny fanatitra ny fisoronan’ ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.Select Philippians 2:17

18Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.Select Philippians 2:18

19Nefa manantena ao amin’ i Jesosy Tompo aho fa haniraka an’ i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.Select Philippians 2:19

20Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo.Select Philippians 2:20

21Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an’ i Jesosy Kristy;Select Philippians 2:21

22izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin’ ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.Select Philippians 2:22

23Ary izy no antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro.Select Philippians 2:23

24Fa matoky ao amin’ ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa.Select Philippians 2:24

25Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko.Select Philippians 2:25

26Fa manina anareo rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.Select Philippians 2:26

27Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.Select Philippians 2:27

28Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho.Select Philippians 2:28

29Koa raiso ao amin’ ny Tompo izy amin’ ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany;Select Philippians 2:29

30fa saiky maty izy noho ny asan’ i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ ny fanompoana ahy.Select Philippians 2:30

Next: Philippians 3Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Philippians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.