Skip to content
Church.wiki
Philippians

Philippians 3

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin’ ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany.Select Philippians 3:1

2Tandremo ny tenanareo amin’ ny amboa, tandremo ny tenanareo amin’ ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ ny voakilema.Select Philippians 3:2

3Fa isika no voafora, izay manompo amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ary manao an’ i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin’ ny nofo;Select Philippians 3:3

4kanefa mba manana izay hitokiako amin’ ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin’ ny nofo, mainka fa izaho;Select Philippians 3:4

5fa voafora tamin’ ny andro fahavalo aho, avy amin’ ny fototr’ isiraely, dia avy amin’ ny firenen’ i Benjamina; Hebreo sady avy amin’ ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo;Select Philippians 3:5

6araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin’ ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny.Select Philippians 3:6

7Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’ i Kristy.Select Philippians 3:7

8Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ ny hatsaran’ ny fahalalana an’ i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’ i Kristy;Select Philippians 3:8

9ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin’ ny lalàna, fa izay avy amin’ ny finoana an’ i Kristy, dia ny fahamarinan’ Andriamanitra amin’ ny finoana;Select Philippians 3:9

10eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ ny fitsanganany tamin’ ny maty ary ny fiombonana amin’ ny fijaliany ka hampitovina amin’ ny endriky ny fahafatesany,Select Philippians 3:10

11raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ ny maty.Select Philippians 3:11

12Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’ i Kristy Jesosy ahy.Select Philippians 3:12

13Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha,Select Philippians 3:13

14eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ ny fiantsoan’ Andriamanitra any ambony ao amin’ i Kristy Jesosy.Select Philippians 3:14

15Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany; fa hasehon’ Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo.Select Philippians 3:15

16Kanefa aoka ho amin’ ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.Select Philippians 3:16

17Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.Select Philippians 3:17

18Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon’ ny hazo fijalian’ i Kristy ireny;Select Philippians 3:18

19fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin’ ny tany izy.Select Philippians 3:19

20Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,Select Philippians 3:20

21Izay hanova ny tenan’ ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ ny tenan’ ny voninahiny, araka ny fiàsan’ ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.Select Philippians 3:21

Next: Philippians 4Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Philippians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.