Skip to content
Church.wiki
Proverbs

Proverbs 12

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.Select Proverbs 12:1

2Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin’ i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.Select Proverbs 12:2

3Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan’ ny marina tsy mba hihetsika.Select Proverbs 12:3

4Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin’ ny taolana.Select Proverbs 12:4

5Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan’ ny ratsy fanahy.Select Proverbs 12:5

6Ny tenin’ ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan’ ny marina hamonjy azy.Select Proverbs 12:6

7Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin’ ny marina haharitra.Select Proverbs 12:7

8Araka ny fahendren’ ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.Select Proverbs 12:8

9Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.Select Proverbs 12:9

10Ny marina mitsimbina ny ain’ ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon’ ny ratsy fanahy;Select Proverbs 12:10

11Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.Select Proverbs 12:11

12Ny mpanota maniry ny hazan’ ny ratsy fanahy; Fa ny fakan’ ny marina mitrebona.Select Proverbs 12:12

13Amin’ ny fahotan’ ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin’ ny fahoriana.Select Proverbs 12:13

14Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan’ ny tànany hitsingerina aminy.Select Proverbs 12:14

15Ny lalan’ ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.Select Proverbs 12:15

16Ny fahasosoran’ ny adala dia fantatra miaraka amin’ izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ ny fanalam-baraka no hendry.Select Proverbs 12:16

17Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.Select Proverbs 12:17

18Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ ny sabatra; Fa ny lelan’ ny marina dia fanasitranana kosa.Select Proverbs 12:18

19Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.Select Proverbs 12:19

20Fitaka no ao am-pon’ izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin’ izay misaina fiadanana.Select Proverbs 12:20

21Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.Select Proverbs 12:21

22Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.Select Proverbs 12:22

23Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon’ ny adala mamoaka fahadalana.Select Proverbs 12:23

24Ny tanan’ ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.Select Proverbs 12:24

25Ny alahelo ao am-pon’ ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.Select Proverbs 12:25

26Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan’ ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.Select Proverbs 12:26

27Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an’ ny olona ny zoto.Select Proverbs 12:27

28Amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.Select Proverbs 12:28

Next: Proverbs 13Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Proverbs

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.