Proverbs 15
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.Select Proverbs 15:1
2Ny lelan’ ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ ny adala miboiboika fahadalana.Select Proverbs 15:2
3Ny mason’ i Jehovah amin’ izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.Select Proverbs 15:3
4Ny teny malemy dia hazon’ aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.Select Proverbs 15:4
5Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.Select Proverbs 15:5
6Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza.Select Proverbs 15:6
7Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala.Select Proverbs 15:7
8Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.Select Proverbs 15:8
9Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny lalan’ ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.Select Proverbs 15:9
10Famaizana mafy no hihatra amin’ izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.Select Proverbs 15:10
11Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’ i Jehovah, Koa mainka ny fon’ ny zanak’ olombelona!Select Proverbs 15:11
12Tsy tian’ ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.Select Proverbs 15:12
13Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon’ ny fo mahareraka ny fanahy.Select Proverbs 15:13
14Ny fon’ ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan’ ny adala mankamamy ny fahadalana.Select Proverbs 15:14
15Ratsy avokoa ny andron’ ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.Select Proverbs 15:15
16Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’ i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.Select Proverbs 15:16
17Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo.Select Proverbs 15:17
18Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.Select Proverbs 15:18
19Ny lalan’ ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben’ ny marina dia voalamina tsara.Select Proverbs 15:19
20Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.Select Proverbs 15:20
21Ny fahadalana dia fifalian’ ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsySelect Proverbs 15:21
22Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.Select Proverbs 15:22
23Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran’ ny teny atao amin’ izay andro mahamety azy!Select Proverbs 15:23
24Làlan’ aina ho any ambony no alehan’ ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany,Select Proverbs 15:24
25Ravan’ i Jehovah ny tranon’ ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin’ ny mpitondra-tena aoriny mafy.Select Proverbs 15:25
26Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra.Select Proverbs 15:26
27Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.Select Proverbs 15:27
28Ny fon’ ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.Select Proverbs 15:28
29Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.Select Proverbs 15:29
30Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.Select Proverbs 15:30
31Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin’ ny hendry.Select Proverbs 15:31
32Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.Select Proverbs 15:32
33Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.Select Proverbs 15:33
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain