Proverbs 16
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ny fikasan’ ny fo no amin’ ny olona; Fa ny famalian’ ny lela dia avy amin’ i Jehovah.Select Proverbs 16:1
2Ataon’ ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.Select Proverbs 16:2
3Ankino amin’ i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.Select Proverbs 16:3
4Ny zavatra rehetra nataon’ i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin’ ny andro hahitan-doza.Select Proverbs 16:4
5Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy.Select Proverbs 16:5
6Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin’ ny heloka; Ary ny fahatahorana an’ i Jehovah no analavirana ny ratsy.Select Proverbs 16:6
7Raha sitrak’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.Select Proverbs 16:7
8Aleo ny kely omban’ ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin’ ny tsy rariny.Select Proverbs 16:8
9Ny fon’ ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.Select Proverbs 16:9
10Ny teny marina dia eo amin’ ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.Select Proverbs 16:10
11An’ i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.Select Proverbs 16:11
12Fahavetavetana eo imason’ ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan’ ny seza fiandrianana.Select Proverbs 16:12
13Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.Select Proverbs 16:13
14Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.Select Proverbs 16:14
15Amin’ ny fahamiramiranan’ ny tarehin’ ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin’ ny fararano.Select Proverbs 16:15
16Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.Select Proverbs 16:16
17Ny manalavitra ny ratsy no lalamben’ ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.Select Proverbs 16:17
18Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.Select Proverbs 16:18
19Tsara ny malemy fanahy ao amin’ izay manetry tena Noho ny mizara babo amin’ izay miavonavona.Select Proverbs 16:19
20Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an’ i Jehovah no ho sambatra.Select Proverbs 16:20
21Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian’ ny molotra mampandroso fahendrena.Select Proverbs 16:21
22Loharanon’ aina ny fahazavan-tsaina amin’ izay manana izany; Fa ny famaizana ataon’ ny adala dia fahadalana ihany.Select Proverbs 16:22
23Ny fon’ ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin’ ny molony.Select Proverbs 16:23
24Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin’ ny fanahy no mahatsara ny taolana.Select Proverbs 16:24
25Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany.Select Proverbs 16:25
26Ny fahanoanan’ ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy.Select Proverbs 16:26
27Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin’ ny molony.Select Proverbs 16:27
28Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.Select Proverbs 16:28
29Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin’ ny lalana tsy tsara.Select Proverbs 16:29
30Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.Select Proverbs 16:30
31Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no ahazoana azy.Select Proverbs 16:31
32Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.Select Proverbs 16:32
33Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin’ i Jehovah ihany no isehoan’ ny fitsarany.Select Proverbs 16:33
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain