Skip to content
Church.wiki
Proverbs

Proverbs 17

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.Select Proverbs 17:1

2Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin’ ny mpirahalahy.Select Proverbs 17:2

3Ny memy ho an’ ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an’ ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.Select Proverbs 17:3

4Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin’ ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.Select Proverbs 17:4

5Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin’ ny fahorian’ ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.Select Proverbs 17:5

6Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.Select Proverbs 17:6

7Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an’ ny zanak’ andriana ny molotra mandainga.Select Proverbs 17:7

8Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason’ izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.Select Proverbs 17:8

9Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.Select Proverbs 17:9

10Ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ ny hendry Noho ny kapoka injato amin’ ny adala.Select Proverbs 17:10

11Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.Select Proverbs 17:11

12Aleo mifanena amin’ ny bera very anaka Toy izay amin’ ny adala feno hadalana.Select Proverbs 17:12

13Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.Select Proverbs 17:13

14Ny fiandohan’ ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.Select Proverbs 17:14

15Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina, Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.Select Proverbs 17:15

16Hatao inona re ity vola an-tànan’ ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.Select Proverbs 17:16

17Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ ny fahoriana.Select Proverbs 17:17

18Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan’ ny sakaizany.Select Proverbs 17:18

19Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.Select Proverbs 17:19

20Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin’ ny loza.Select Proverbs 17:20

21Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain’ ny adala tsy ho faly.Select Proverbs 17:21

22Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.Select Proverbs 17:22

23Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.Select Proverbs 17:23

24Eo anoloan’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason’ ny adala dia mibirioka any amin’ ny faran’ ny tany.Select Proverbs 17:24

25Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin’ ny reniny niteraka azy.Select Proverbs 17:25

26Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany.Select Proverbs 17:26

27Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.Select Proverbs 17:27

28Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.Select Proverbs 17:28

Next: Proverbs 18Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Proverbs

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.