Proverbs 18
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.Select Proverbs 18:1
2Ny adala tsy mba finaritra amin’ ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.Select Proverbs 18:2
3Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin’ ny fahafaham-baraka ny henatra.Select Proverbs 18:3
4Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon’ ny fahendrena,Select Proverbs 18:4
5Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin’ ny fitsarana.Select Proverbs 18:5
6Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.Select Proverbs 18:6
7Ny vavan’ ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.Select Proverbs 18:7
8Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.Select Proverbs 18:8
9Ary izay malaina amin’ ny asany Dia rahalahin’ ny mpanimba.Select Proverbs 18:9
10Ny anaran’ i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.Select Proverbs 18:10
11Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.Select Proverbs 18:11
12Ny fireharehan’ ny fon’ ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.Select Proverbs 18:12
13Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.Select Proverbs 18:13
14Ny faharariany dia zakan’ ny fanahin’ ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?Select Proverbs 18:14
15Ny fon’ ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin’ ny hendry mitady izany.Select Proverbs 18:15
16Ny fanomezan’ ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan’ ny lehibe.Select Proverbs 18:16
17Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.Select Proverbs 18:17
18Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.Select Proverbs 18:18
19Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin’ ny lapan’ ny mpanjaka.Select Proverbs 18:19
20Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.Select Proverbs 18:20
21Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.Select Proverbs 18:21
22Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin’ i Jehovah.Select Proverbs 18:22
23Fitarainana no ataon’ ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.Select Proverbs 18:23
24Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.Select Proverbs 18:24
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain