Skip to content
Church.wiki
Proverbs

Proverbs 23

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Raha mipetraka hiara-komana amin’ ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,Select Proverbs 23:1

2Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.Select Proverbs 23:2

3Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.Select Proverbs 23:3

4Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin’ izany ny fahendrenao.Select Proverbs 23:4

5Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ ny lanitra.Select Proverbs 23:5

6Aza homana ny mofon’ izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;Select Proverbs 23:6

7Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.Select Proverbs 23:7

8Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.Select Proverbs 23:8

9Aza miteny amin’ny adala; Fa hohamavoiny foana ny fahendren’ ny teninao.Select Proverbs 23:9

10Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin’ ny sahan’ ny kamboty;Select Proverbs 23:10

11Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ ny adiny aminao.Select Proverbs 23:11

12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.Select Proverbs 23:12

13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza;Select Proverbs 23:13

14Raha mamely azy amin’ ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.Select Proverbs 23:14

15Anaka, raha hendry ny fonao, Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;Select Proverbs 23:15

16Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.Select Proverbs 23:16

17Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro;Select Proverbs 23:17

18Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.Select Proverbs 23:18

19Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin’ ny lalana ny fonao.Select Proverbs 23:19

20Aza misakaiza amin’ izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;Select Proverbs 23:20

21Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.Select Proverbs 23:21

22Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.Select Proverbs 23:22

23Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.Select Proverbs 23:23

24Hifaly dia hifaly ny rain’ ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.Select Proverbs 23:24

25Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.Select Proverbs 23:25

26Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;Select Proverbs 23:26

27Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;Select Proverbs 23:27

28Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.Select Proverbs 23:28

29An’ iza ny Indrisy? An’ iza ny Endrey? An’ iza ny fifandirana? An’ iza ny fitolokoana? An’ iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’ iza ny maso mivoara-mena?Select Proverbs 23:29

30An’ izay mikikitra amin’ ny divay, Eny, an’ izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.Select Proverbs 23:30

31Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;Select Proverbs 23:31

32Fa amin’ ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.Select Proverbs 23:32

33Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.Select Proverbs 23:33

34Eny, ho sahala amin’ izay mandry ao amin’ ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ ny andrin-tsambo.Select Proverbs 23:34

35Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?Select Proverbs 23:35

Next: Proverbs 24Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Proverbs

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.