Skip to content
Church.wiki
Proverbs

Proverbs 24

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;Select Proverbs 24:1

2Fa fandravana no saintsainin’ ny fony, Ary fampahoriana notenenin’ ny molony.Select Proverbs 24:2

3Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;Select Proverbs 24:3

4Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin’ izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.Select Proverbs 24:4

5Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;Select Proverbs 24:5

6Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.Select Proverbs 24:6

7Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy.Select Proverbs 24:7

8Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.Select Proverbs 24:8

9Ota ny fikasan’ ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason’ ny olona ny mpaniratsira.Select Proverbs 24:9

10Raha reraka amin’ ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao.Select Proverbs 24:10

11Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!Select Proverbs 24:11

12Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.Select Proverbs 24:12

13Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao;Select Proverbs 24:13

14Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an’ ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao.Select Proverbs 24:14

15Aza manotrika ao akaikin’ ny tranon’ ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany;Select Proverbs 24:15

16Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana.Select Proverbs 24:16

17Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;Select Proverbs 24:17

18Fandrao hitan’ i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.Select Proverbs 24:18

19Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;Select Proverbs 24:19

20Fa tsy hisy fanantenana ho an’ ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron’ ny ratsy fanahy.Select Proverbs 24:20

21Anaka, matahora an’ i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin’ izay miovaova;Select Proverbs 24:21

22Fa ho tampoka no hitrangan’ izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin’ ny androny?Select Proverbs 24:22

23Izao koa no tenin’ ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan’ olona amin’ ny fitsarana.Select Proverbs 24:23

24Izay manao amin’ ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin’ ny olona sady ho halan’ ny firenena;Select Proverbs 24:24

25Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.Select Proverbs 24:25

26Izay mahavoa tsara amin’ ny famaliana dia manoroka ny molotra.Select Proverbs 24:26

27Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.Select Proverbs 24:27

28Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin’ ny molotrao va ianao?Select Proverbs 24:28

29Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.Select Proverbs 24:29

30Nandalo ny sahan’ ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;Select Proverbs 24:30

31Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron’ ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.Select Proverbs 24:31

32Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.Select Proverbs 24:32

33Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory;Select Proverbs 24:33

34Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.Select Proverbs 24:34

Next: Proverbs 25Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Proverbs

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.