Proverbs 28
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.Select Proverbs 28:1
2Ny fahotan’ ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian’ ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana.Select Proverbs 28:2
3Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.Select Proverbs 28:3
4Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin’ ny fanoherana azy.Select Proverbs 28:4
5Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an’ i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.Select Proverbs 28:5
6Ny malahelo izay mandeha amin’ ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika.Select Proverbs 28:6
7Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.Select Proverbs 28:7
8Izay mampitombo ny fananany amin’ ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an’ izay miantra ny malaheloSelect Proverbs 28:8
9Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.Select Proverbs 28:9
10Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin’ ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.Select Proverbs 28:10
11Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.Select Proverbs 28:11
12Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.Select Proverbs 28:12
13Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.Select Proverbs 28:13
14Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.Select Proverbs 28:14
15Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin’ ny olona reraka.Select Proverbs 28:15
16Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.Select Proverbs 28:16
17Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.Select Proverbs 28:17
18Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.Select Proverbs 28:18
19Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa.Select Proverbs 28:19
20Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.Select Proverbs 28:20
21Tsy mety raha mizaha tavan’ olona; Kanefa na dia amin’ ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ ny olona hanotana.Select Proverbs 28:21
22Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.Select Proverbs 28:22
23Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin’ ny lelany.Select Proverbs 28:23
24Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman’ ny mpanimba.Select Proverbs 28:24
25Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an’ i Jehovah dia hohatavezina.Select Proverbs 28:25
26Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin’ ny fahendrena no ho afa-miala.Select Proverbs 28:26
27Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;Select Proverbs 28:27
28Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.Select Proverbs 28:28
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain