Skip to content
Church.wiki
Proverbs

Proverbs 29

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.Select Proverbs 29:1

2Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.Select Proverbs 29:2

3Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin’ ny vehivavy janga dia mandany harena.Select Proverbs 29:3

4Ny rariny no ampandrian’ ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.Select Proverbs 29:4

5Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.Select Proverbs 29:5

6Misy fandrika amin’ ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.Select Proverbs 29:6

7Ny marina mihevitra ny adin’ ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.Select Proverbs 29:7

8Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.Select Proverbs 29:8

9Raha iadian’ ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.Select Proverbs 29:9

10Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.Select Proverbs 29:10

11Ny fahatezeran’ ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.Select Proverbs 29:11

12Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.Select Proverbs 29:12

13Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason’ izy roa tonta.Select Proverbs 29:13

14Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.Select Proverbs 29:14

15Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.Select Proverbs 29:15

16Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.Select Proverbs 29:16

17Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian’ ny fanahinao.Select Proverbs 29:17

18Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’ izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.Select Proverbs 29:18

19Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.Select Proverbs 29:19

20Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.Select Proverbs 29:20

21Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.Select Proverbs 29:21

22Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.Select Proverbs 29:22

23Ny fiavonavonan’ ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.Select Proverbs 29:23

24Izay miray tetika amin’ ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.Select Proverbs 29:24

25Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an’ i Jehovah no hovonjena.Select Proverbs 29:25

26Maro no mila sitraka amin’ ny mpanapaka; Fa avy amin’ i Jehovah ny fitsarana ny olona.Select Proverbs 29:26

27Ny meloka dia fahavetavetana eo imason’ ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason’ ny ratsy fanahy kosa.Select Proverbs 29:27

Next: Proverbs 30Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Proverbs

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.