Skip to content
Church.wiki
Proverbs

Proverbs 30

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ny teny mavesa-danja nataon’ i Agora, zanak’ i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin’ Itiela, eny, tamin’ Itiela sy Okala:Select Proverbs 30:1

2Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain’ olombelona aho.Select Proverbs 30:2

3Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masìna.Select Proverbs 30:3

4Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin’ ny lambany? Iza no nahamisy ny faran’ ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ ny zanany? Fa toa fantatrao!Select Proverbs 30:4

5Ny tenin’ Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an’ izay mialoka aminy Izy.Select Proverbs 30:5

6Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.Select Proverbs 30:6

7Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:Select Proverbs 30:7

8Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin’ izay anjara-hanina sahaza ho ahy;Select Proverbs 30:8

9Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran’ Andriamanitro.Select Proverbs 30:9

10Aza manendrikendrika ny mpanompo amin’ ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.Select Proverbs 30:10

11Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.Select Proverbs 30:11

12Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin’ ny fahalotoany.Select Proverbs 30:12

13Misy taranaka, endrey ny fiandrandran’ ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!Select Proverbs 30:13

14Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin’ ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin’ ny olona.Select Proverbs 30:14

15Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:Select Proverbs 30:15

16Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay.Select Proverbs 30:16

17Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin’ ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin’ ny zana-boromahery.Select Proverbs 30:17

18Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:Select Proverbs 30:18

19Ny nalehan’ ny voromahery teny amin’ ny habakabaka, Ny nalehan’ ny bibilava teny amin’ ny vatolampy, Ny nalehan’ ny sambo teny amin’ ny ranomasina, Ary ny nalehan’ ny lehilahy tamin’ ny tovovavy.Select Proverbs 30:19

20Tahaka izany koa no fanaon’ ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.Select Proverbs 30:20

21Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;Select Proverbs 30:21

22Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,Select Proverbs 30:22

23Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny.Select Proverbs 30:23

24Izao zavatra efatra izao dia kely amin’ ny etỳ ambonin’ ny tany, Nefa hendry sady mahay:Select Proverbs 30:24

25Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin’ ny fahavaratra izy;Select Proverbs 30:25

26Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin’ ny harambato izy;Select Proverbs 30:26

27Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;Select Proverbs 30:27

28Ny antsiantsy dia mandady amin’ ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon’ ny mpanjaka izy.Select Proverbs 30:28

29Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;Select Proverbs 30:29

30Dia ny liona, izay mahery indrindra amin’ ny biby Ka tsy mihemotra na amin’ inona na amin’ inona,Select Proverbs 30:30

31Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina.Select Proverbs 30:31

32Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.Select Proverbs 30:32

33Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.Select Proverbs 30:33

Next: Proverbs 31Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Proverbs

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.