Psalms 10
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin’ ny andro fahoriana?Select Psalms 10:1
2Noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon’ ny fahendrena nataony izy ireny.Select Psalms 10:2
3Ny ratsy fanahy mandoka izay irin’ ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an’ i Jehovah.Select Psalms 10:3
4Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, “Tsy misy Andriamanitra” no tontalin-keviny.Select Psalms 10:4
5Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin’ ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny?Select Psalms 10:5
6Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.Select Psalms 10:6
7Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin’ ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.Select Psalms 10:7
8Mamitsaka amin’ ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.Select Psalms 10:8
9Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin’ ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin’ ny haratony no fisambony ny malahelo.Select Psalms 10:9
10Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin’ ny herin’ ny ratsy fanahy.Select Psalms 10:10
11Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.Select Psalms 10:11
12Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.Select Psalms 10:12
13Nahoana no mamingavinga an’ Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?Select Psalms 10:13
14Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ ny tananao. Hianao no iononan’ ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.Select Psalms 10:14
15Torotoroy ny sandrin’ ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.Select Psalms 10:15
16Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin’ ny taniny intsony ny jentilisa.Select Psalms 10:16
17Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin’ ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,Select Psalms 10:17
18Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak’ olombelona etỳ an-tany.Select Psalms 10:18
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain