Psalms 101
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.Select Psalms 101:1
2Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha amin’ ny fahitsian’ ny foko ao anatin’ ny tranoko aho.Select Psalms 101:2
3Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.Select Psalms 101:3
4Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka iza ratsy aho,Select Psalms 101:4
5Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;Select Psalms 101:5
6Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin’ ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin’ ny lalana marina no hanompo ahy.Select Psalms 101:6
7Tsy mba hitoetra ao anatin’ ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan’ ny masoko izay milaza lainga.Select Psalms 101:7
8Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan’ i Jehovah.Select Psalms 101:8
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain