Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 106

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.Select Psalms 106:1

2Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon’ i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?Select Psalms 106:2

3Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.Select Psalms 106:3

4Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin’ ny famonjenao aho,Select Psalms 106:4

5Hahitako ny soa azon’ ny voafidinao, Hifaliako amin’ ny fifalian’ ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin’ ny lovanao.Select Psalms 106:5

6Efa nanota izahay mbamin’ ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.Select Psalms 106:6

7Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan’ ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron’ ny Ranomasina MenaSelect Psalms 106:7

8Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.Select Psalms 106:8

9Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,Select Psalms 106:9

10Namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalo.Select Psalms 106:10

11Dia nosaronan’ ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.Select Psalms 106:11

12Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.Select Psalms 106:12

13Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,Select Psalms 106:13

14Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an’ Andriamanitra tany an-tany foana.Select Psalms 106:14

15Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy.Select Psalms 106:15

16Dia nialona an’ i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an’ i Arona, olo-masin’ i Jehovah.Select Psalms 106:16

17Nisokatra ny tany, dia nitelina an’ i Datana Ka nanarona ny antokon’ i Abìrama.Select Psalms 106:17

18Dia nisy afo nirehitra tamin’ ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.Select Psalms 106:18

19Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan’ ny sarin-javatra an-idina.Select Psalms 106:19

20Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin’ ny omby homana ahitra.Select Psalms 106:20

21Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,Select Psalms 106:21

22Dia fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama sy zava-mahatahotra teo amin’ ny Ranomasina Mena.Select Psalms 106:22

23Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin’ ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.Select Psalms 106:23

24Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,Select Psalms 106:24

25Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon’ i Jehovah.Select Psalms 106:25

26Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitraSelect Psalms 106:26

27Ary ny taranany kosa any amin’ ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin’ ny tany maro Izy.Select Psalms 106:27

28Nikambana tamin’ i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an’ ny maty,Select Psalms 106:28

29Dia nampahatezitra an’ i Jehovah tamin’ ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.Select Psalms 106:29

30Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.Select Psalms 106:30

31Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin’ ny taranaka fara mandimby mandrakizay.Select Psalms 106:31

32Nampahatezitra an’ i Jehovah teo anilan’ ny ranon’ i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an’ i Mosesy noho ny nataon’ ireo;Select Psalms 106:32

33Fa niodina tamin’ ny Fanahin’ i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.Select Psalms 106:33

34Tsy naringany ny firenena Izay nasain’ i Jehovah naringany;Select Psalms 106:34

35Fa nifangaro tamin’ ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,Select Psalms 106:35

36Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.Select Psalms 106:36

37Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an’ ny demonia ireo;Select Psalms 106:37

38Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran’ ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an’ ny sampin’ i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin’ ny rà izy.Select Psalms 106:38

39Ary naloto tamin’ ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.Select Psalms 106:39

40Dia nirehitra tamin’ ny olony ny fahatezeran’ i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.Select Psalms 106:40

41Dia nanolotra azy teo an-tànan’ ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.Select Psalms 106:41

42Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin’ ny tànany izy.Select Psalms 106:42

43Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.Select Psalms 106:43

44Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;Select Psalms 106:44

45Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben’ ny famindram-pony.Select Psalms 106:45

46Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin’ izay rehetra namabo azy.Select Psalms 106:46

47Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna Sy hifalianay amin’ ny fiderana Anao.Select Psalms 106:47

48Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.Select Psalms 106:48

Next: Psalms 107Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.