Psalms 107
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony.Select Psalms 107:1
2Aoka hanao izany ny navotan’ i Jehovah, Dia izay navotany ho afaka tamin’ ny tanan’ ny fahavalo,Select Psalms 107:2
3Sy nangoniny avy tany amin’ ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin’ ny ranomasina.Select Psalms 107:3
4Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana.Select Psalms 107:4
5Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,Select Psalms 107:5
6Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny;Select Psalms 107:6
7Dia nitondra azy tamin’ ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin’ izay tanàna honenana.Select Psalms 107:7
8Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!Select Psalms 107:8
9Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.Select Psalms 107:9
10Izay nipetraka tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy,Select Psalms 107:10
11Satria nandà ny tenin’ Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;Select Psalms 107:11
12Dia nampietreny tamin’ ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy;Select Psalms 107:12
13Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny.Select Psalms 107:13
14Nitondra azy nivoaka avy tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany.Select Psalms 107:14
15Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!Select Psalms 107:15
16Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.Select Psalms 107:16
17Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony:Select Psalms 107:17
18Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin’ ny fahafatesana izy.Select Psalms 107:18
19Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny.Select Psalms 107:19
20Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin’ ny longoa nianjerany.Select Psalms 107:20
21Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!Select Psalms 107:21
22Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin’ ny fihobiana.Select Psalms 107:22
23Izay midìna any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin’ ny rano lehibeSelect Psalms 107:23
24No mahita ny asan’ i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin’ ny rano lalina.Select Psalms 107:24
25Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano;Select Psalms 107:25
26Niakatra hatramin’ ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin’ ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana.Select Psalms 107:26
27Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.Select Psalms 107:27
28Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin’ ny fahatereny Izy.Select Psalms 107:28
29Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.Select Psalms 107:29
30Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin’ ny fitodiana niriny izy.Select Psalms 107:30
31Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!Select Psalms 107:31
32Ary aoka hanandratra Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona izy Ka hidera Azy eo amin’ ny fipetrahan’ ny loholona.Select Psalms 107:32
33Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,Select Psalms 107:33
34Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian’ ny mponina eo.Select Psalms 107:34
35Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,Select Psalms 107:35
36Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;Select Psalms 107:36
37Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be.Select Psalms 107:37
38Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.Select Psalms 107:38
39Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.Select Psalms 107:39
40Mampidina fanamavoana amin’ ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;Select Psalms 107:40
41Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy, Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany.Select Psalms 107:41
42Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.Select Psalms 107:42
43Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon’ i Jehovah.Select Psalms 107:43
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain