Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 108

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

2Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza.Select Psalms 108:2

3Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.Select Psalms 108:3

4Hidera Anao eny amin’ ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin’ ny jentilisa.Select Psalms 108:4

5Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin’ ny rahona ny fahamarinanao.Select Psalms 108:5

6Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.Select Psalms 108:6

7Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin’ ny tananao ankavanana aho, ka valio.Select Psalms 108:7

8Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema, Ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko;Select Psalms 108:8

9Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron’ ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;Select Psalms 108:9

10Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin’ i Filistia ho hihobiako.Select Psalms 108:10

11Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?Select Psalms 108:11

12Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô?Select Psalms 108:12

13Vonjeo amin’ ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon’ ny olona.Select Psalms 108:13

14Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.Select Psalms 108:14

Next: Psalms 109Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.