Psalms 110
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.Select Psalms 110:1
2Ny tehin’ ny herinao Havoak’ i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin’ ny fahavalonao Hianao.Select Psalms 110:2
3Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ ny andro anafihanao; Amin’ ny fihaingoana masìna, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.Select Psalms 110:3
4Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka.Select Psalms 110:4
5Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ ny andron’ ny fahatezeranySelect Psalms 110:5
6Hitsara any amin’ ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin’ ny tany malalaka Izy.Select Psalms 110:6
7Hisotro amin’ ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan’ ny lohany.Select Psalms 110:7
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain