Psalms 112
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’ i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.Select Psalms 112:1
2Hahery ambonin’ ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.Select Psalms 112:2
3Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.Select Psalms 112:3
4Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.Select Psalms 112:4
5Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.Select Psalms 112:5
6Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.Select Psalms 112:6
7Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an’ i Jehovah ny fony.Select Psalms 112:7
8Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin’ ny mpandrafy azy.Select Psalms 112:8
9Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.Select Psalms 112:9
10Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian’ ny ratsy fanahy.Select Psalms 112:10
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain