Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 113

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah, Miderà ny anaran’ i Jehovah.Select Psalms 113:1

2Isaorana anie ny anaran’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.Select Psalms 113:2

3Hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany No hoderaina anie ny anaran’ i Jehovah.Select Psalms 113:3

4Avo ambonin’ ny jentilisa Jehovah; Ambonin’ ny lanitra ny voninahiny.Select Psalms 113:4

5Iza no tahaka an’ i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ ny avo,Select Psalms 113:5

6Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?Select Psalms 113:6

7Manangana ny malahelo hiala amin’ ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ ny zezika,Select Psalms 113:7

8Mba hametraka azy ho naman’ ny mpanapaka ny olony.Select Psalms 113:8

9Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.Select Psalms 113:9

Next: Psalms 114Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.