Psalms 118
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.Select Psalms 118:1
2Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.Select Psalms 118:2
3Aoka ny taranak’ i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.Select Psalms 118:3
4Aoka izay matahotra an’ i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.Select Psalms 118:4
5Tao an-katerena no niantsoako an’ i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.Select Psalms 118:5
6Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ ny olona atao amiko?Select Psalms 118:6
7Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin’ izay mankahala ahy.Select Psalms 118:7
8Tsara ny mialoka amin’ i Jehovah Noho ny mialoka amin’ ny olona.Select Psalms 118:8
9Tsara ny matoky an’ i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.Select Psalms 118:9
10Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa;Select Psalms 118:10
11Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.Select Psalms 118:11
12Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.Select Psalms 118:12
13Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.Select Psalms 118:13
14Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.Select Psalms 118:14
15Ao an-dain’ ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery;Select Psalms 118:15
16Ny tanana ankavanan’ i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery.Select Psalms 118:16
17Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan’ i Jehovah.Select Psalms 118:17
18Nofaizan’ i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin’ ny fahafatesana.Select Psalms 118:18
19Vohay ny vavahadin’ ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an’ i Jehovah.Select Psalms 118:19
20Ity no vavahadin’ i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.Select Psalms 118:20
21Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.Select Psalms 118:21
22Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.Select Psalms 118:22
23Avy tamin’ i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.Select Psalms 118:23
24Ity no andro nataon’ i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’ izao isika.Select Psalms 118:24
25Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!Select Psalms 118:25
26Hotahina anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah; Avy ao an-tranon’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.Select Psalms 118:26
27Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ ny tandroky ny alitara aza.Select Psalms 118:27
28Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.Select Psalms 118:28
29Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.Select Psalms 118:29
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain