Psalms 12
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ ny zanak’ olombelona.Select Psalms 12:2
3Samy milaza lainga amin’ ny namany amin’ ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.Select Psalms 12:3
4Holevonin’ i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,Select Psalms 12:4
5Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?Select Psalms 12:5
6Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan’ ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain’ ny sasany.Select Psalms 12:6
7Ny tenin’ i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin’ ny memy ka mitsoriaka amin’ ny tany eny, voadio impito.Select Psalms 12:7
8Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon’ ity taranaka ity.Select Psalms 12:8
9Raha avy izay isandratan’ ny tsinontsinona eo amin’ ny zanak’ olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon’ izay azom-pahoriana mafy loatra.Select Psalms 12:9
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain