Psalms 123
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.Select Psalms 123:1
2Indro, toy ny fijerin’ ny ankizilahy Ny tanan’ ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin’ ny ankizivavy Ny tanan’ ny tompovaviny, No fijerintsika an’ i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika.Select Psalms 123:2
3Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;Select Psalms 123:3
4Eny, tototry ny famingavingan’ ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan’ ny mpiavonavona.Select Psalms 123:4
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain