Psalms 137
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Teo amoron’ ny onin’ i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an’ i Ziona.Select Psalms 137:1
2Teo amin’ ny hazomalahelo teo afovoan’ i Babylona No nanantonanay ny lokanganay.Select Psalms 137:2
3Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran’ i Ziona eto anatrehanay.Select Psalms 137:3
4Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran’ i Jehovah Tany an-tany nivahiniana?Select Psalms 137:4
5Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.Select Psalms 137:5
6Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin’ ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin’ ny fifaliako rehetra.Select Psalms 137:6
7Jehovah ô, tsarovy amin’ ny taranak’ i Edoma Ny andron’ i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin’ ny fanorenany.Select Psalms 137:7
8Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.Select Psalms 137:8
9Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin’ ny harambato.Select Psalms 137:9
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain