Psalms 138
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Hidera Anao amin’ ny foko rehetra aho; Eo anatrehan’ ireo andriamanitra no hankalazako Anao.Select Psalms 138:1
2Hivavaka manandrify ny tempolinao masìna aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin’ ny anaranao rehetra.Select Psalms 138:2
3Tamin’ ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko.Select Psalms 138:3
4Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany, Fa handre ny tenin’ ny vavanao izy.Select Psalms 138:4
5Eny hihira ny amin’ ny lalan’ i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr’ i Jehovah.Select Psalms 138:5
6Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.Select Psalms 138:6
7Na dia handeha eo amin’ ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.Select Psalms 138:7
8Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan’ ny tananao.Select Psalms 138:8
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain