Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 14

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.Select Psalms 14:1

2Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra.Select Psalms 14:2

3Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.Select Psalms 14:3

4Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?Select Psalms 14:4

5Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin’ ny taranaka marina.Select Psalms 14:5

6Na dia foananareo aza ny fisainan’ ny ory, Jehovah kosa no arony.Select Psalms 14:6

7Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin’ i Jehovah avy amin’ ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.Select Psalms 14:7

Next: Psalms 15Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.