Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 142

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

2Ny feoko no itarainako amin’ i Jehovah; Ny feoko no ifonako amin’ i Jehovah.Select Psalms 142:2

3Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako.Select Psalms 142:3

4Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin’ ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy.Select Psalms 142:4

5Jereo eo ankavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko.Select Psalms 142:5

6Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin’ ny tanin’ ny velona.Select Psalms 142:6

7Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin’ ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny.Select Psalms 142:7

8Avoahy hiala amin’ ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.Select Psalms 142:8

Next: Psalms 143Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.