Psalms 146
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry fanahiko.Select Psalms 146:1
2Hidera an’ i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an’ Andriamanitra aho, raha mbola velona koa.Select Psalms 146:2
3Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak’ olombelona izay tsy mahavonjy.Select Psalms 146:3
4Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ ny taniny izy; Ary amin’ izay indrindra no hahafoanan’ ny fikasany.Select Psalms 146:4
5Sambatra izay manana an’ Andriamanitr’ i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an’ i Jehovah Andriamaniny,Select Psalms 146:5
6Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay,Select Psalms 146:6
7Izay manome rariny ho an’ ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an’ ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra;Select Psalms 146:7
8Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;Select Psalms 146:8
9Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa.Select Psalms 146:9
10Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin’ ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.Select Psalms 146:10
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain