Psalms 149
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona masìna.Select Psalms 149:1
2Aoka ny Isiraely hifaly amin’ ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin’ ny Mpanjakany ny zanak’ i Ziona.Select Psalms 149:2
3Aoka hidera ny anarany amin’ ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga.Select Psalms 149:3
4Fa sitrak’ i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.Select Psalms 149:4
5Aoka ny olona masìna hifaly amin’ ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.Select Psalms 149:5
6Aoka hisy fanandratana an’ Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,Select Psalms 149:6
7Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,Select Psalms 149:7
8Hamatorany ireo mpanjakany amin’ ny gadra, Sy ny olo-malazany amin’ ny gadra vy.Select Psalms 149:8
9Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masìna rehetra Izany. Haleloia.Select Psalms 149:9
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain