Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 22

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

2Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ ny fitarainako.Select Psalms 22:2

3Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.Select Psalms 22:3

4Kanefa masìna Hianao, Ry mipetraka eo ambonin’ ny fideran’ ny Isiraely.Select Psalms 22:4

5Hianao no nitokian’ ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.Select Psalms 22:5

6Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.Select Psalms 22:6

7Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan’ olona sy fanevatevam-bahoaka.Select Psalms 22:7

8Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:Select Psalms 22:8

9Ankino amin’ i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.Select Psalms 22:9

10Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin’ ny reniko;Select Psalms 22:10

11Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.Select Psalms 22:11

12Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.Select Psalms 22:12

13Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin’ i Basana manemitra ahy.Select Psalms 22:13

14Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.Select Psalms 22:14

15Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.Select Psalms 22:15

16Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin’ ny lanilaniko; ao amin’ ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.Select Psalms 22:16

17Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan’ ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izySelect Psalms 22:17

18Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.Select Psalms 22:18

19Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.Select Psalms 22:19

20Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.Select Psalms 22:20

21Vonjeo amin’ ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin’ ny herin’ ny amboa.Select Psalms 22:21

22Vonjeo amin’ ny vavan’ ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ ny tandroky ny ombimanga.Select Psalms 22:22

23Hitory ny anaranao amin’ ny rahalahiko aho; eo amin’ ny fiangonana no hideràko Anao.Select Psalms 22:23

24Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, miderà Azy; ry taranak’ i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak’ Isiraely rehetra.Select Psalms 22:24

25Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ ny fahorian’ ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.Select Psalms 22:25

26Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’ izay matahotra an’ i Jehovah.Select Psalms 22:26

27Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.Select Psalms 22:27

28Hahatsiaro ka hiverina ho amin’ i Jehovah ny faran’ ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ ny firenen-tsamy hafa.Select Psalms 22:28

29Fa an’ i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin’ ny firenen-tsamy hafa Izy.Select Psalms 22:29

30Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin’ ny tany, eo anatrehany no hiondrehan’ izay rehetra efa hidina any amin’ ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.Select Psalms 22:30

31Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin’ ny taranaka ho avy.Select Psalms 22:31

32Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin’ ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.Select Psalms 22:32

Next: Psalms 23Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.