Psalms 23
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,Select Psalms 23:1
2Mampandry ahy amin’ ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ ny rano fialan-tsasatra Izy.Select Psalms 23:2
3Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ ny lalan’ ny fahamarinana noho ny anarany Izy.Select Psalms 23:3
4Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.Select Psalms 23:4
5Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.Select Psalms 23:5
6Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah andro lava aho.Select Psalms 23:6
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain