Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 28

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangìna amiko Hianao, dia ho tahaka izay midìna any an-davaka aho.Select Psalms 28:1

2Mihainoa ny feon’ ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin’ ny fitoeranao masìna indrindra aho.Select Psalms 28:2

3Aza atao indray manakipaka amin’ ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin’ ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.Select Psalms 28:3

4Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian’ ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan’ ny tànany, valio izy araka izay iendrehany.Select Psalms 28:4

5Fa tsy mihevitra ny asan’ i Jehovah, na ny vitan’ ny tànany, izy, dia horavan’ i Jehovah izy, fa tsy haoriny.Select Psalms 28:5

6Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon’ ny fifonako Izy.Select Psalms 28:6

7Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian’ ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.Select Psalms 28:7

8Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.Select Psalms 28:8

9Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.Select Psalms 28:9

Next: Psalms 29Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.