Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 36

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

2Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra ao aminy.Select Psalms 36:2

3Fa miarahaba tena izy ny amin’ ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.Select Psalms 36:3

4Ny tenin’ ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.Select Psalms 36:4

5Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.Select Psalms 36:5

6Jehovah ô, mipaka amin’ ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.Select Psalms 36:6

7Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,Select Psalms 36:7

8Endrey ny hatsaran’ ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ ny aloky ny elatrao ny zanak’ olombelona.Select Psalms 36:8

9Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.Select Psalms 36:9

10Fa ao aminao no misy loharanon’ aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.Select Psalms 36:10

11Ampahareto amin’ izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ ny mahitsy fo.Select Psalms 36:11

12Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ ny ratsy fanahy.Select Psalms 36:12

13Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.Select Psalms 36:13

Next: Psalms 37Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.