Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 37

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;Select Psalms 37:1

2Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.Select Psalms 37:2

3Matokia an’ i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin’ ny tany ianao ka ho faly amin’ ny fahamarinana.Select Psalms 37:3

4Ary miravoravoa amin’ i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ ny fonao.Select Psalms 37:4

5Ankino amin’ i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.Select Psalms 37:5

6Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.Select Psalms 37:6

7Miantombena tsara miandry an’ i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin’ izay ambinina amin’ ny lalany dia amin’ izay olona manao sain-dratsy.Select Psalms 37:7

8Mitsahara amin’ ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran’ izany.Select Psalms 37:8

9Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an’ i Jehovah no handova ny tany.Select Psalms 37:9

10Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.Select Psalms 37:10

11Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ ny haben’ ny fiadanana.Select Psalms 37:11

12Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.Select Psalms 37:12

13Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.Select Psalms 37:13

14Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.Select Psalms 37:14

15Ny sabany hitsatoka amin’ ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.Select Psalms 37:15

16Tsara lavitra ny kely ananan’ ny ratsy fanahy maro.Select Psalms 37:16

17Fa ny sandrin’ ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.Select Psalms 37:17

18Fantatr’ i Jehovah ny andron’ ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.Select Psalms 37:18

19Tsy mba ho menatra amin’ ny andro fahoriana ireny; ary amin’ ny taona mosarena dia ho voky izy.Select Psalms 37:19

20Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon’ i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.Select Psalms 37:20

21Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.Select Psalms 37:21

22Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.Select Psalms 37:22

23Avy amin’ i Jehovah no mahalavorary ny dian’ ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany.Select Psalms 37:23

24Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.Select Psalms 37:24

25Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.Select Psalms 37:25

26Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.Select Psalms 37:26

27Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.Select Psalms 37:27

28Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masìna; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,Select Psalms 37:28

29Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizaySelect Psalms 37:29

30Ny vavan’ ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.Select Psalms 37:30

31Ny lalàn’ Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.Select Psalms 37:31

32Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.Select Psalms 37:32

33Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.Select Psalms 37:33

34Miandrasa an’ i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.Select Psalms 37:34

35Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;Select Psalms 37:35

36Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.Select Psalms 37:36

37Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany ho an’ ny olona tia fihavanana.Select Psalms 37:37

38Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran’ ny ratsy fanahy ho fongotra.Select Psalms 37:38

39Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’ i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin’ ny andro fahoriana Izy.Select Psalms 37:39

40Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin’ ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.Select Psalms 37:40

Next: Psalms 38Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.