Psalms 47
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an’ Andriamanitra.Select Psalms 47:2
3Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin’ ny tany rehetra Izy.Select Psalms 47:3
4Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika, ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ ny tongotsika.Select Psalms 47:4
5Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’ i Jakoba izay tiany. [Sela.]Select Psalms 47:5
6Efa niakatra tamin’ ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin’ ny fitsofana ny anjomara.Select Psalms 47:6
7Mankalazà an’ Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.Select Psalms 47:7
8Fa Mpanjaka amin’ ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.Select Psalms 47:8
9Andriamanitra manjaka amin’ ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany masìna.Select Psalms 47:9
10Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon’ Andriamanitr’ i Abrahama; fa an’ Andriamanitra ny ampingan’ ny tany; Avo indrindra Izy.Select Psalms 47:10
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain