Psalms 50
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany.Select Psalms 50:1
2Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan’ Andriamanitra.Select Psalms 50:2
3Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.Select Psalms 50:3
4Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony:Select Psalms 50:4
5Angony etỳ amiko ny oloko masìna izay manao fanekena amiko amin’ ny fanatitra.Select Psalms 50:5
6Hasehon’ ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara. [Sela.]Select Psalms 50:6
7Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.Select Psalms 50:7
8Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.Select Psalms 50:8
9Tsy maka vantotr’ ombilahy amin’ ny tranonao Aho, na osilahy amin’ ny valanao;Select Psalms 50:9
10Fa Ahy ny biby rehetra any an’ ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.Select Psalms 50:10
11Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.Select Psalms 50:11
12Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.Select Psalms 50:12
13Hihinana ny nofon’ ombilahy va Aho, na hisotro ny ran’ osilahy?Select Psalms 50:13
14Manatera fanati-pisaorana ho an’ Andriamanitra; ary efao amin’ ny Avo Indrindra ny voadinao;Select Psalms 50:14
15Antsoy Aho amin’ ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.Select Psalms 50:15
16Fa amin’ ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?Select Psalms 50:16
17Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko.Select Psalms 50:17
18Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin’ ny mpijangajanga.Select Psalms 50:18
19Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka.Select Psalms 50:19
20Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao.Select Psalms 50:20
21Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.Select Psalms 50:21
22Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an’ Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy.Select Psalms 50:22
23Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen’ Andriamanitra.Select Psalms 50:23
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain