Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 51

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida,Select Psalms 51:1

2fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an’ i Batseba izy.Select Psalms 51:2

3Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.Select Psalms 51:3

4Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.Select Psalms 51:4

5Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.Select Psalms 51:5

6Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.Select Psalms 51:6

7Indro, tamin’ ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.Select Psalms 51:7

8Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin’ ny miafina no ampahafantarinao ahy.Select Psalms 51:8

9Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.Select Psalms 51:9

10Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao.Select Psalms 51:10

11Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.Select Psalms 51:11

12Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.Select Psalms 51:12

13Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masìna amiko.Select Psalms 51:13

14Ampodio amiko ny fifaliana amin’ ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.Select Psalms 51:14

15Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.Select Psalms 51:15

16Vonjeo ho afaka amin’ ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako.Select Psalms 51:16

17Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.Select Psalms 51:17

18Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.Select Psalms 51:18

19Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.Select Psalms 51:19

20Manaova soa amin’ i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan’ i Jerosalema.Select Psalms 51:20

21Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin’ ny afo; dia hanatitra vantotr’ ombilahy eo amin’ ny alitaranao ny olona.Select Psalms 51:21

Next: Psalms 52Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.