Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 52

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ho an’ ny mpiventy hira. Maskila nataon’ i Davida,Select Psalms 52:1

2fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin’ i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon’ i Ahimeleka.Select Psalms 52:2

3Nahoana no mandoka tena amin’ ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon’ Andriamanitra maharitra mandrakariva.Select Psalms 52:3

4Loza no heverin’ ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.Select Psalms 52:4

5Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina. [Sela.]Select Psalms 52:5

6Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.Select Psalms 52:6

7Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin’ ny tanin’ ny velona. [Sela.]Select Psalms 52:7

8Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:Select Psalms 52:8

9Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an’ Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben’ ny hareny ka nikikitra tamin’ ny faharatsiany.Select Psalms 52:9

10Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon’ Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon’ Andriamanitra mandrakizay doria aho.Select Psalms 52:10

11Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan’ ny olonao masìna aho, fa tsara izany.Select Psalms 52:11

Next: Psalms 53Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.