Psalms 53
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao ny tsara.Select Psalms 53:2
3Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra.Select Psalms 53:3
4Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.Select Psalms 53:4
5Tsy mahalala va ny mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra tsy antsoiny?Select Psalms 53:5
6Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan’ izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian’ Andriamanitra izy.Select Psalms 53:6
7Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin’ Andriamanitra avy amin’ ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.Select Psalms 53:7
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain