Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 55

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

2Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin’ ny fitarainako.Select Psalms 55:2

3Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,Select Psalms 55:3

4Noho ny feon’ ny fahavalo sy ny fampahorian’ ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin’ ny fahatezerana no ankahalany ahy.Select Psalms 55:4

5Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.Select Psalms 55:5

6Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.Select Psalms 55:6

7Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;Select Psalms 55:7

8Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra. [Sela.]Select Psalms 55:8

9Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon’ ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.Select Psalms 55:9

10Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.Select Psalms 55:10

11Hodidininy andro aman’ alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;Select Psalms 55:11

12Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin’ ny lalàmbeny.Select Psalms 55:12

13Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,― fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;Select Psalms 55:13

14Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,Select Psalms 55:14

15Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ ny maro ho ao an-tranon’ Andriamanitra.Select Psalms 55:15

16Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin’ ny fonenany, dia ao afovoany.Select Psalms 55:16

17Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.Select Psalms 55:17

18Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,Select Psalms 55:18

19Ka hanavotra ny fanahiko ho amin’ ny fiadanana hahafahako amin’ ny adin’ ireny amiko, fa maro no miady amiko.Select Psalms 55:19

20Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin’ ny taloha, [Sela.] ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an’ Andriamanitra.Select Psalms 55:20

21Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.Select Psalms 55:21

22Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.Select Psalms 55:22

23Apetraho amin’ i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.Select Psalms 55:23

24Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.Select Psalms 55:24

Next: Psalms 56Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.