Psalms 60
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ho an’ ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon’ i Davida hampianarana,Select Psalms 60:1
2fony izy nanafika an’ i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin’ ny niverenan’ i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin’ ny lohasahan-tsira.Select Psalms 60:2
3Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.Select Psalms 60:3
4Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.Select Psalms 60:4
5Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.Select Psalms 60:5
6Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana. [Sela.]Select Psalms 60:6
7Mba hahafahan’ ny malalanao, dia vonjeo amin’ ny tananao ankavanana aho, ka valio.Select Psalms 60:7
8Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema; ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko;Select Psalms 60:8
9Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron’ ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;Select Psalms 60:9
10Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.Select Psalms 60:10
11Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?Select Psalms 60:11
12Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin’ ny antokon’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô?Select Psalms 60:12
13Vonjeo amin’ ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon’ ny olona.Select Psalms 60:13
14Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.Select Psalms 60:14
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain